NY MAHA IANAO ANAO (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
N.B :ialako tsiny mialoha raha somary vantambatana ilay tononkalo satria zava-misy io kanefa tsy midika akory fa ny Pasitera na ny Mompera eny fa na de ny Papa Benoit 16 aza mety tsy mahalala fa misy Kristiana marobe miaina @io tonokalo nosoratako io, misy ihany anefa ireo izay tena hanompo tokoa ka maha te hidera ...

NY MAHA IANAO ANAO

Indrisy mahonena
Fa hay fitiavan-tena
No tena nanompoany
Lay Ray ao ambony

Mifono hafetsena
Toa ankoso-bolamena
Mody ho Pasitera
Hay ka Losifera

Mametsifetsy ankolaka
Manao ny pasi-tolaka
Manangona no asany
Ny hatsembohan’ny sasany

Mody hoe ny Tompo
Zaho ity Mpanompo
Ny ondrinao andrasako
F’ireo hanao ny asako

Dia roboka daholo
Na ny fotsy volo
Nanao vavolombelona
Tamim-piara-belona

Fa tsara ny Andriamaniny
Soa beny akaniny
Ka derao ny Tompony
Meteza ho Mpanompony

Resilahatra ragasy
Avy dia nanipy vatsy
Nanome izay nananany
Zay rehetra teo an-tanany

Hanamboarana Fiangonana
Hibebahan’ny ankohonana
Notohanana avokoa
Na tao-trano na tamboho

Tena nisy ireo nitsangana
Fa ny tratran-gana mangana
Nanantena ho tafita
Ny aina hay no lany ritra

Andriamanitra ô!
Loza mitatao
Fa nataony kilalao
Ny maha Ianao Anao

Malalason 11/07/08
--------
Lien:
Catégorie : Fiainana
2727 3
Commentaires
gasyjean ( 30/08/2008 21:34)
Tena marina ilay tononkalo ee.ny gasy tsy mampiasa saina fa hoentin'ny fihetsem-po fotsiny dia ambakain'ny fetsy(ny mody pasitera sy mompera sns.)ny vola ihany no mbola tena manan-kery latsaka amabany mihintsy aza ilay A/tra lazaina fa tompoina.
Nofy2 ( 14/05/2013 11:49)
mivavaha ho an izay olona hitanao fa hoatr'izany!
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0195