SAFIDY TENA ADALA (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SAFIDY TENA ADALA

“Raha mba ninoanao, sy mba narahanao ny anatra nataoko
Dia angamba tsy ho nisy ny tsotsorimamba nisarahantsika
Raha mba niainanao ny fiainana niainako, ny fomba fanaoko
Lay tokatranontsika angamba mety tsy hangatsiaka”

Ny anao ny anao ihany
Lay fo tsy mahay mandefitra
Nefa aiza ‘zao? Atody toa lamokany
Vokany, maimbo sy malany

Izany eo ihany
F’ianao tsy mety hiova
Ka dia mahità ny mamy
Mahalasana, mahaleova

Ny reninao mpambosy
Ny rainao tsy mandefitra
No zary lakolosy
Nanako an-tany efitra

Nanambara tamiko fa tsara raha isika
Mifampitsoka rano, sy misara-dalana
Ka ny tomaninao miharo kiakiaka
No lasa kopa-tanana, sy solom-boadalana

Mandrakizay akia malala
Fa ny antsika tsy anjara
Safidy tena adala
Ka tsy hifandany zara

Malalason 29/05/2007
--------
Lien:
Catégorie : Fisarahana
1470 1
Fans: Malalason
Commentaires
bichette ( 29/05/2007 15:04)
tononkalo sa zava-misy ???
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0161