Paradisa (RAKOTOMANANA Christian Gabriel)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eto am-pandriana ny saina no mamisavisa
Mizara maro ny eritreritra toa ireny kintana an'alinkisa
Raha hambara daholo tsy ho voatanisa
Fa ny tena zava-dehibe dia hoe ahoana any am-paradisa

Sambatra angamba ny olona, tsy misy jentilisa
Masina avokoa, vita batisa
Miramiran'endrika tsy misy madisadisa
Tomady salama tsy marisarisa

Tsy resaka intsony hoe matokisa
Na misy olona ambony, ambany voadisa
Ny fatahorana foana, ny fiainana milamina tsy misy migorisa
Hasambarana, fifaliana, ireo teny ireo sisa

RAKOTOMANANA CHRISTIAN GABRIEL
--------
Rohy:
610 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0112