FIAINANA (RAMANATANTARA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FIAINANA

Fiainana hoe ?
Fiainako, fiainanao …
Sarobidy, fahasoavana
Azoko, azonao
Tsy antery fa nomena !

***

Fiainana hoe ?
Fiainako, fiainanao…
Ao ny mifaly
Mahay mankasitraka
Miravo, mampiasa
‘Zay talenta anjarany !

***

Fiainana hoe ?
Fiainako, fiainanao…
Ao ny mimalo
Mivezivezy fanahy
Mijaly, tsy faly
Misava ny soa an-tànany !

***

Fiainana hoe ?
Fiainako, fiainanao…
Ao ny tia, mifankatia,
Manaja, mifanaja
Koa ny kely hanana
No handradraina
Zaraina hanasoavana

***

Dia "Fiainantsika"
No fototr’ity
Fiainan’ity
Iray ho an’ny rehetra
Lasa mpianakavy !
FIAINANA ! FIAINANTSIKA !

RAMANATANTARA, Paris, 15/07/07
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
1231 1
Mpakafy: ramatoabe
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135