Raha vao nahita anao (Randja)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Babonao avy hatrany aho raha vao nahita anao iny
tsy nafehy tena fa tonga dia niatsampy teny aminao teny
ataoko hoe fitiavana no anton'iny fihetsiko iny
nientana ny fo, nahaloa-peo, tsy afa-niteny

Endrey izany hafaliako raha vao nahita anao
toa nahita anjely, hany ka sondriana
manaramaso anao ireto masoko, toa mitalaho
na dia sombim-pitia avy any aminao ry tiana

Tojo olon-tiana tamin'ny andro tsy nampoizina
hitia olona tsy fantatra, toa sarotra atao
raha ianao no anjarako, tiavina, tsy lavina
dia hanehoako ny fara-fitiavako ianao

Tsy nihafahafa aho fa nandray anao tokoa
nanao izay azoko natao nanehoako fitiavana
nanamboatra fiteny mba hahazoana ny fo
tsy mitsahatra miezaka, tsy lany finiavana
--------
Lien:
Catégorie : Fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana
12 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0123