Raha vao nahita anao (Randja)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Babonao avy hatrany aho raha vao nahita anao iny tsy nafehy tena fa tonga dia niatsampy teny aminao teny
ataoko hoe fitiavana no anton'iny fihetsiko iny
nientana ny fo, nahaloa-peo, tsy afa-niteny
Endrey izany hafaliako raha vao nahita anao
toa nahita anjely, hany ka sondriana
manaramaso anao ireto masoko, toa mitalaho
na dia sombim-pitia avy any aminao ry tiana
Tojo olon-tiana tamin'ny andro tsy nampoizina
hitia olona tsy fantatra, toa sarotra atao
raha ianao no anjarako, tiavina, tsy lavina
dia hanehoako ny fara-fitiavako ianao
Tsy nihafahafa aho fa nandray anao tokoa
nanao izay azoko natao nanehoako fitiavana
nanamboatra fiteny mba hahazoana ny fo
tsy mitsahatra miezaka, tsy lany finiavana
--------
Rohy:
