Rehefa tia (Randja)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Manembona anao eny foana
maka sary an-tsaina ilay endrikao
miandrandra hatrany koa ny fotoana
izay hihaonantsikaroa toy izao

Ny fiteny amboarina tokoa
tena kanto, teny soa
mahaliana ny sofina, mambabo ny fo
tsara rindra, voafantina avokoa

Ny fihetsika moa tsy lazaina intsony
toa miangolangola, manintona ny maso
arahin'ilay fijery malefaka irony
zary mitalaho fa te hahazo

Maniry ny ho tantananao hatrany
te hitafy mihintsy ny fitiavanao
ny anilanao no tsapako fa mamy
satriko isika roa tsy hifandao
--------
Lien:
Catégorie : Fiainana - Fitiavana
358 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0125