Rehefa tia (Randja)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Manembona anao eny foana maka sary an-tsaina ilay endrikao
miandrandra hatrany koa ny fotoana
izay hihaonantsikaroa toy izao
Ny fiteny amboarina tokoa
tena kanto, teny soa
mahaliana ny sofina, mambabo ny fo
tsara rindra, voafantina avokoa
Ny fihetsika moa tsy lazaina intsony
toa miangolangola, manintona ny maso
arahin'ilay fijery malefaka irony
zary mitalaho fa te hahazo
Maniry ny ho tantananao hatrany
te hitafy mihintsy ny fitiavanao
ny anilanao no tsapako fa mamy
satriko isika roa tsy hifandao
--------
Rohy:
