VALISOA (RANDRIANARIMANANA Jean-Jacques )
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VALISOAIzay mitolona am-panahy
sy matoky an’i Jesoa
Ka mivavaka tsy miato,
miasa mafy, milomay;
Dia ho sambatra tsy hanahy,
sy ho ampoky ny soa
Ary hihamafy toy ny vato
ny finoany an’Izy Ray.
---
Izay manaiky ny halemeny
nefa miarina hatrany,
Ka miankina amin’ny Tompo
sy amin’ny fahasoavany;
Dia tahiany sy vonjeny
ka fafany ny tomany,
Ary dioviny ny loto,
Izy hampamiratra ny tavany.
---
Izay feno fahasahiana
ka mitory ny Evanjeliny
Ka mahavonjy fanahy osa,
na dia toka-monja ihany;
Dia ho dibo-kafaliana,
sy hotronin’ny anjeliny
Hovaliany soa miavosa
ety ka hatrany am-parany any.
Jean-Jacques RANDRIANARIMANANA (09/04/2020)
--------
Lien:
Catégorie :
Vavaka - Fifaliana - fanantenana - Aingam-panahy - Fiderana - Vavaka - fanantenana - Fitiavana