POETA SY NY HATSARANTAREHINY (Randja Zanamihoatra)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fony izaho mbola nofy tao an-tsain’ny lehilahy,
Fony izaho mbola rano tao am-bohoky ny reny
No efa henoko sahady ny antsonao nitarika ahy
Ry andriamanitry ny HIRA sy andriamanitry ny TENY

Raha mbola tsy « fisiana » no an’izao tontolo izao
Fa ny masoko hahita sy ny sofiko handre
Mbola SARY sady FEO tao an-eritreritrao…
Dia efa niombon-tafa isika ka niresaka elabe.

Fony mbola heniheny irony kintana alinalina
Ary ny andro izay hisiako, mbola velon-ketaheta…
No efa nentinao ny saiko sy narobokao ny lalina
Dia nasaikanao impito vao navoaka ho "Poeta"

Ary, hoy ianao, niloaka : Mandehana, mahefà !
Andeha rantovy ka vahao ny andriamanitra mifehy,
Ilay mifatotra any ho any sy nosolokina fa
Izy no nipoirantsika, dia ny HATSARANTAREHY !

Izay fotoana izay, angamba, no nihaonantsika farany,
Ry andriamanitry ny TENY sy andriamanitry ny HIRA,
Dia nilaozako ny kibo niantso ahy ho hasambarany,
Izao tontolo izao kosa nampandroso hoe : "Midira" !

Hatreo no niainako tetoana ny fotoana sy habakabaka
Ho toy ny akora izay mambomba ny ara-batana tontolo :
Ary ny andro sy hasoany, ary ny alina miravaka,
Samy endrika namabo ilay fitiavako daholo !

Iza no HATSARANTAREHY ?
Inty, vaka ny Poeta.
Moa ny ato anatiko ato sa ny eny ivelany eny ?
Va iretsy zavaboahary sa izatsy zazavavy

Ami’izato bika loatra maha « hey » ny halemeny ?
Sa ny avelon’izy ireny efa novelomiko avy
Tamin’ny fofonain’ny Teny sy ny fofonain’ny Hira ?
Fa na heriko na saiko samy nentiko nihehy

Ny tato anatiko rehetra sy ny lavitra andakira !
Nefa…
Ry malalako ô, henoy ! Miteny izao tontolo izao :
« Andriamanitra tefena » ny « Hatsarantarehinao »

Andriamanitra voatefy tahaka ilay nanao ny tany
Fa fisainan’ny mpahay no nanakatra an’izany.
Ilay fisainan’ny mpanefy nanoloana ny asa vitany
Dia nanangana mpamorona ho an’ny fiandohan-tsy hitany.

Izaho no Hatsarantarehy , izaho noforoninao.
Izaho izay nasandratrao, izaho iankohofanao ;
Izaho ; dia ny misy
kanjo, indrisy fa tsy misy
raha tsy miaraka amin’ny misy.

Izao tontolo izao ivelany, indro fa naiditrao
Ho izao tontolo izao mifetra anaty karandohanao :
Tonga hery nifamaho. Feo, Sary mifanika…
Ary aiza ho aiza ao, aiza ny andriamanitsika

Dia ny Hatsarantarehy, dia ny Hatsarantarehy
ilay mpifatotra malaza ?
O Poetako malala ! ho’aho anefa, ndeha mitiava
Fa ny Hatsarantarehy : dindonao tsy mety rava,

Alokao mitady « zavatra hotafina ny endrikao »
Saingy nony efa izany, indro, nahagaga anao :
Toa fisiana hafa indray, vaovao sy mahafinaritra
Kanjo io ilay « endrikao miovaova tsy maharitra

Arakaraka ny vatana, fotoana sy ny toerana.
Izao tontolo izao anaty, izao tontolo izao manerana ».
Ary…
Andeha isika hamorona olona tahaka antsika

Araka ny endritsika :

Ny HATSARANTAREHY !

1 may 1962

Vainafo tononkira, p. 113-115

Edmond RANDRIAMANANJARA

(RANDJA ZANAMIHOATRA)
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
3095 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Randja Zanamihoatra
Nampiditra : kiala.andria
Daty : 14/03/2019 12:15
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106