Ahoana ny hevitrao (raozigasy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy asiako resa-pifidianana aloha raha ny andro androany
Fa toa mampihomehy, sady mananihany
F’izay zava-drehetra re, sy mba tazatazana
Manala baraka, ilay tanindrazana

Tsy asiako resa-be, aloha ny eto anio
Fa mampalahelo mantsy, ilay resaka “fidio”
Tsy misy zava-marina, tsy misy sion-drariny
Fa resaky ny moana, sy marenina no itariny

Tsy asiako resadresaka, aloha izay tsaho heno
Na hoe tranga hafahafa, hoe tonga dia teneno
Fa efa fomba fiasa, vao nianga dia efa hay
Hoe tsy hahatomomban-draha, tsy hamokatra indray

Tsy asiako tabataba, na koa horakoraka
Aleo aloha mangina, tsy laitra ilay voatoraka
Fa sakoroka hoy aho, tsy nisy hoatr’izao
Tsy misy raha manjary, ahoana ny hevitrao ….
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
874 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0399