Alamino aloha ny fo (raozigasy)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho setrin'ny "AHY sy IZY" nosoratan'i Kiriah tsy hiditra tantara, na hitsabaka fiainana
fa amin'ny mahamanana, dia mizara fitaintainana
tsy fitia te hahalala, izay tsiambaratelo
fa te hampitraka amin'izay mampalahelo
ilay siakan-teny izay, no antony indrindra
hahalalanay fa, misy fery tsy voarindra
mitsako ny ao anatiny, mikaikitra ilay namana,
mankarary ny ainy, kanefa tiany ho tanana
dia mampahery izany, sisa angamba teny
azo anterinterina, eny an-tsisiny eny
mahereza ranabavy, izany moa ilay fiainana
alamino aloha ny fo, dia avy eo eto am-pisainana
--------
Lien:
Catégorie :
sitraka sy setriny - Aingam-panahy