Aleo (raozigasy)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ireo taloha izay niainana, zary nivadika ho anganoIreo kotaba sy korana, tantara efa lasa rano
Ireo alahelo nampijaly, s’ireo hafa nampiferitr’aina
Efa nafoy, sy nohadinoina, efa nofafan’ny saina
Fa nivadika ny dina, nivily lalana ny voady,
K’ireo teny mamy notsitsiana, lasa niova tenin’ady,
Ka ny mety sy ny tsara, aleo hivalona hotorovana
Aleo alevina ny lasa, aleo tsy hisy fahatsiarovana
--------
Lien:
Catégorie :
Aingam-panahy