Aleoko ihany (raozigasy)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aleoko ihany ianao mandatsa ,amin’ny teninao maheryToy izay ianao mangina, amin’ny tifitra fijery
Aleoko ihany ianao mikiaka, amin’ilay feo vonton-kita
Fa ilay hari-jerinao, tena tsy tantiko ho hita
Aleoko ihany ianao mivaza, amin’ny feonao feno ketoka
Fa tsy laitrako mihitsy, ilay jadon-dianao mifetoka
Aleoko ihany ianao mitaba, sy mikapoka latabatra
Toy izay misefosefo, miaraka amin’ny fo sabatra
Aleoko ihany ianao mimenona, sy manakapo-baravarana
Fa ilay valifati-masonao, tsy tiako ilay manarangarana
Aleoko ihanyianao tomany, ao anaty haromotana
Toy izay mivandraka ahy, fa tonga aho dia mikorontana
Kanefa
Ny tena tiako dia izao,
tsy tezitra amiko ianao
Eny na dia tezitra aza,
dia manao ilay tezi-jaza
Misintaka mitsoaka kely,
avy eo mizara mamikely
Sy trotroiko am-pifaliana,
eo an-tratrako ry tiana
--------
Lien:
Catégorie :
Aingam-panahy