Amboara (raozigasy)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Norefesiko tanaty, ilay jerinao nambambo ahyKa ilay sandan-keriny iny, nampisonga ny fanahy
Nampirongaronga embona, hafaliana tsy hay lazaina
Bitabitaka hafakely, ainga soa mamelona aina
Nokajiako tao an-tsaina, ilay tamba-tsikinao nandraby
Ka ny vokatra nomeny, rara-po mifampibaby
Nampiakatrakatra fanahy, haravoana tsy hay zaraina
Siotsioka sy hora-peo, mamelombelona maraina
Izay angamba no porofo, tsy voazavan’ny adisanina
Izay angamba no mandika, ilay foko manimanina
Mangorangorana fitia, mamomamom-pitiavana
Ka mivetso tononkalo, amboara ho anao rahavana
--------
Lien:
Catégorie :
Aingam-panahy
Commentaires
Zozoro
(
17/09/2013 19:22)
"Moa ve ho tsiky miserana ihany ary ho segondran'ny fahasambarako
Ka hamerina ny androko lasa mirakitra irony tantarako ?
Moa ho bitsika malemilemy mikalon'ny hiran'ny foko
Fa toa tsapako manenika ahy ity fitiavana kanto misoko ?..."
Zozoro
Ka hamerina ny androko lasa mirakitra irony tantarako ?
Moa ho bitsika malemilemy mikalon'ny hiran'ny foko
Fa toa tsapako manenika ahy ity fitiavana kanto misoko ?..."
Zozoro