ANDROM-BOKATRA (raozigasy)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NOSORATANA HO FANKALAZANA NY ANDROM-BOKATRA TAO ANTSAHABEANDROM-BOKATRA
Andeha isika ry vahoaka, hiantso sy hihoby ny Anarany,
Ndeha isika rehetra mpino, hihira, hiantsa ts’isy farany,
Ka hiaraka hankalaza, ny Jehovah Tompontsika
Ka ireo zava-maneno, no arahin-kira sy mozika
Fa androm-bokatra androany, , ho antsika eto Antsahabe,
Hankalaza izany isika, na ny kely na lehibe
Koa andeha hifampizara, fifaliana, fiadanana
Koa andeha isika hifanolotra, ary hifandray tanana
Ho antsika rehetra mpino, iray trano, iray tafo
Tafahoana indray isika, hikorana, hisakafo
Ka hanao fanati-bokatra, na talenta, na harena
Ndeha atolotra amin’ny fo, an-tsitrapo fa tsy terena
Ka na kely no atolotra, na vaventy no homena,
Dia raisina avokoa, am-pitiavana ekena
Dia ankinina amin’ny Avo, ny koranantsika androany,
Na hira io na kalokalo, na sangisangy, na hanihany
Dia mahazoa fahafinaretana, mihinanà, mifalia,
Hoy izahay eto amin’ny tafo, FPMA Grands Champs Paris
--------
Lien:
Catégorie :
Fety - Aingam-panahy