Avia (raozigasy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha sanatria mitady ho rendrika an-dranobe ny sambonao
Dia antsao mora am-bitsi-teny, izao tononkalo fohy izao

Avia ianao ry namako,
hisintona ny tanako
fa mitady handifotra ahy
ity ranon’ahiahy

Avia ianao ry poetako
Hanala ny hetahetako
Fa mangetana an-dakana
Ny saiko feno sakana

Avia ianao ry tsy haiko
Hizara izay zakaiko
Fa ilay vatofantsika
Mamahatra mamantsika

Avia ianao tongava
Ny samboko mivava
Tariho aho ho eny amorona
Izaho tsy te ho sorona

Dia rehefa vitanao izany, dia asio tsiky dibo-po
Fa hamonjy anao ho tamy, ny fanahiko sy ny ambiroa

Raozigasy
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
882 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0325