AZA AFENINA (raozigasy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho setrin'ny tononkalon'i Nikopol hoe Tsy Nafeniko Anao

Aza afenina azy
Na ny vazivazy
Ny rehetra ahiahy
Aza misy afenina

Aza afeninao
Ny fery anatinao
Raha adino re tsy nahy
Lazao fa sao dia ho nenina

Aza misy afenina
Fa soraty am-penina
Ka hikamban-diary
Tsiambaratelonareo

Aza afenin’akory
Ary aza avel’hatory
Ireo zava-maharary
Hifampizaranareo

Amin’izay ianao sy izy
Ho zanaka sy ankizy
Hiara-milalao
Isan’andro izao
--------
Lien:
1136 0
Commentaires
nikopol ( 25/05/2006 07:26)
Mitohy ny fisaorana e !
mazotoa aminy rehetrea
12 ( 02/06/2006 14:17)
milay eeeeee!!!!!
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0319