Aza ambara (raozigasy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aza avelanao hitroatra,
fa fihino ho anao mangina
izay fitiavana tsy tanty

Aza avelanao hihoatra
ireo hetaheta faniriana
fa tazony ao anaty

Aza avelanao ho fantany
ilay Tia tianao abaribary
fa fehezo tsy hiloaka

Eny aza ataonao fantany
ary aza atao miharihary
tehirizo mafy tsy hivoaka

Fa

Ilay fitia tsy nolazaina
ilay fitia tsy tantaraina
ilay fitia tsy abaribary
ilay fitia izay mankarary

Sao tsy hisy vidiny aminy
Sao ny fitiavanao tsy maminy

Ka

Ilay sarobidy taminao
no voamboraka k'andrao
hampangasihasy fo
f'ianareo natao tsy ho roa

Ka aza ambaranao azy
sao raisiny ho vazivazy
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
1396 1
Fans: oracle
Commentaires
atonamia ( 31/01/2010 23:11)
Raha midobodoboka be ny fo,
Ka mahatsiaro fa tena tia tokoa,
Tazony ho anao mangina ihany,
Aza avela ho re tany,
Aza apotra amin' ilay tiana,
Hafeno mafy modia variana,
Satria raha fitia tsy tanteraka
Hanimba anao handavo handreraka
Ka hahatonga fijaliana
Hikiky anaty anao mangina
Kanefa izany rehetra izany
Ho lefy ihany hihalany
Ka mba tsy ho nenina hahavoa
Mba tsy ho tara fa voasaina aloha
Dia ... tazony, hafeno, hidio ho anao
'Ty fitia miredareda koboninao
Elihangy ( 03/02/2010 14:09)
afeno ihany f'aza miteniteny mitsy ... ny tena tia hono dia ilay tia fa tsy miteny!!!
Malita ( 24/04/2010 07:54)
tsara loatra
Tsy hiteniteny mintsy zany? ...😊
raozigasy ( 24/04/2010 11:36)
aseho amin'ny fihetsika aloha dia ny tohiny hita eo e
Soarilala ( 28/04/2010 14:47)
Ka na hafenina tahaka ny inona aza toa hita taratra eny foana
oracle ( 30/04/2010 10:31)
Tsy hiteny tokoa , tsy ho haborako indray , satria toa efa manindry mandry ratsy ahy izay mety ho avaliny , raha tarafiko t@' ny fitsiny, firesany, aleo ho koboniko ha ahy irery, satria rahateo ny fitia tsy an-tery.Saingy ny loza ray, loza roa , efa tsinjony mialoha ilay koboniko ato am-po,
Zozoro ( 30/04/2010 17:43)
"Ampanginiko sy
ho fihiniko
Ny tsiahy
Mamatotra ahy..."

Misaotra e! makasitraka tokoa










oracle ( 07/05/2010 13:56)
Nahavaka ahy ilay tafasirintsika
tena tsinapa ilay hatsiaka
mangoly ny fonao anaty
tsisy fitia mitanika toy ny ahy
Marina fa tsy haiko ny mampiresaka
saingy ny risi-ponao mamaly
tovanan 'ireo fihetsika
dia ampy hamarana ny fitiavanao ahy
Tsy misy intsony antony
hamborahako aminao lay fitia
nefa na oviana tsy hitony
ty fo raiki-pitia
Ka na efa hitanao mibaribary
lay koboniko ato anaty
na efa nandingana mari-pana tsy tanty
tsy hotoriako na hankarary
Ho fihiniko ho ahy irery
na toy inona fanetoky ny fery
Ho arafitro ato am-po mangina
ny fitiavako anao ry tina

ATAO AHOANA EH! ZAY LE FITIAVANA
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0342