AZA FEFENA (raozigasy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AZA FEFENA

Na dia hovolenao tsilo irony lalana mankany
Na dia hotampenanao izany vavahadim-po
Raha toa ilay fitiavanao mbola mitempo sy tsy lany
Dia ho nofy izany rehetra izany , ho asa very maina koa

Na hivoady aza ianao, handa ny fotoana omeny
Na hitokona aza ianao, tsy hitsena azy am-piravany
Raha toa tsy fongotrao ilay faka, setrin’ilay fitia nekeny
Dia ho rera-dava eo ianao, sy ho vizaka hitomany

Na dia handa aza ianao, sy hiseho hoe manan-kambo
Na koa ianao hikombom-bava, tsy hamaly izay ambarany
Raha mbola misy sombin-Tia, na dia bitika toa kambo
Dia ho zava-poana ihany, ilay hanadino ny anarany

Satria ilay voady entim-po, sy ilay hatezerana marefo
Dia sandam-bidim-po voadona, ka tsy mahafehy ny tena
Satria ilay hasosoranao, ao anaty sefosefo
Dia mbola fitiavana vaventy, filavoana, faharesena
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
677 1
Fans: Zozoro
Commentaires
Zozoro ( 10/04/2009 18:25)
Tena tsara, tena ankafiziko ireo andininy "3 sy 4"

Mankasitraka ary misaotra indrindra.
raozigasy ( 20/04/2009 23:56)
Misaotra anao zozoro a
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0331