AZA HITAKO (raozigasy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aza hitako

Any an-tanindrazako any, any madagasikara
No lakabe hampiova endrika, ny tontolo sy tantara
He ity fireneko simba, ifandrotehin’ny mpitondra
Ka ny vahoaka malagasy, no batiana atao ampondra

Any an-tanindrazako any , no sehatra iray vaovao
Iantombohan’ady hafa, amin’izao taon-jato izao
Satria rehefa tsy voafehy, ny ady an-trano sy saritaka
Dia ho avy ireo mpanararaotra, hitsabatsabaka hibitaka

ho avy any ireo bekintana, mody handamin-draharaha,
nefa anie ka haka zahatra, hampiasa vola sy hizaha
mody hoe mba te handamina, tsy tia korontana sy ady
nefa ange, ny ati-doha, efa be ketrika sy fiady

renimalala mody hiditra, hoe hitady vahaolana
nefa ange hitady tsena, izay no tena mampisolana
mody hiresaka tantara, hoe firenena mifamatotra,
nefa ny haren’ny fireneko, no tiany ho fehezina sy afatotra

dia rainiboto mody ho avy, any aoriana mitsaitsaika
nefa anie mandamindamina, ireo tetika sy paika
dia ny fampandrian-tany, no mody atao hoe mahamaika
nefa ny haren’ny fireneko, no trandrahan-tsy re tsaika

dia ho avy koa ry rainilita, mody hoe hizaha tany
nefa hanadio ny volany, no tena heviny amin izany
mody hoe hampiasa vola, hanarenam-pirenena
nefa ny ao ambadika ao, tena hoe fitiavan-tena

dia avy koa ry kelimaso, miditra misokosoko
manao fihavin’homamiadana, mamely anao an-tsokosoko
mody hoe hanarina ny rava, nefa hibodo faritany
dia avy eo izy mianakavy, no manao befihavy avy any

dia avy afara ao mangingina, mody hoe hila hafanana
fa asa mangatsiaka loatra, ilay toera-nialana
ireo amerikana tavaratra, mody tsy be teny izany
nefa te hibodo tsotr’izao, ireo harena an-kibon-tany

dia ireo tatsinanana hafa, mody handefa solo-tena,
hoe hijery vahaolana, amin ny olam-pirenena
nefa te hijery tsena, sy tany vao mba hamokarana
fa ny any an-taniny any, tsy misy azony ifaharana

dia iretsy rahalahy maizina, mody hoe ho avy mba hizara,
ireo traik’efan’ady an-trano, fa efa zatra ilay tantara
nefa anie bontolo fotsiny, sy te hanao bodongerona
toy ny any an-taniny any, ka aty no mierongerona

dia lasa teo ny saiko , nisaina izany rehetra izany,
hoe aza hitako ry dago, aza misy anie izany
fa raha ireo rehetra ireo, no mitsaba-draharaha
dia tsy antsika intsony dago, fa tena ho lasan-dry zalahy

inona moa nefa ny antony, raha tsy adim-borizano
ireo merin-dahy ireo ihany, no tsy menatra fa miady an-trano
ka maharikoriko jery, sady mahamenatr’olona
menatra ny tenako aho, “ny gasy tsy mba menatr’olona”
--------
Lien:
Catégorie : Tanindrazana - Ady
1113 1
Fans: Zozoro
Commentaires
fahamarinana ( 02/05/2009 13:36)
Raozy o !Tsy dia tiako loatra rahavao miditra resaka firazanana na fihavanana ! Mbola betsaka ny ambadik'izao tantara izao fa ireo mpitondra sy mpanao politika mihintsy no efa tia tena sy tsy maty voalavo an-kibo na iza izy na iza ,na avy aiza na avy aiza !!Samby mitady ny tombontsoany manokana sy ny miaro ny seza volamenany aby e !
raozigasy ( 11/05/2009 08:28)
Faha, tsy resaka firazanana no tiako avoitra eto fa resaka fisainana sy fijeriko ny zava-mitranga any Dago ...
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0332