Dia ahoana (raozigasy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dia ahoana leitsy izao, ialahy ry zandrikely
Lasa saina ihany aho eto, ka lasa toa miteny irery
Ny anioko aza tsy mazava, ts’isy mangiram-belively
Dia ny an’ialahy re hanakory, ampitso maizim-bola miery

Dia ahoana reitsy izao, ny hoavin-dry r’ikala peta
Tsy hisy kajy azo atao, tsy hisy vina azo omanina
Ny androany aza moa, peta-toko fetafeta
Ny an-dry ve rahampitso, tsy vao mainka hahafanina

Dia ahoana re rankizy, ny hatanoranareo
Tamin’ny andronay mantsy , ny omaly ihany no miverina
Zary lasa kilalao, ka mahaletra, mankaleo
Satria isaky ny folo taona, dia anterina atsingerina

Dia ahoana zany izao, fa ny toloko anio
Tsy misy raha manjary mihitsy, tsy misy vokany tsapaina
Ka matahotra ny saiko, raha vao maheno ilay “fidio”
Fa ny tohiny mazava, samy voa sy miala maina
--------
Lien:
942 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.034