Fanjanahana (raozigasy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ekeko mihitsy isika, hoe mahaleo-tena
Noho ilay Sonia sy fahaleovana nomena,
Ka afaka ny ziogan’ny fanjanahan-tany
Dia tantara sisa no mamintina izany

Kanefa raha ny anio, Toa resaka Sonia
Io fahaleovana io , Takalon’abidia
Fa Fanjanahana vaovao, Fanjanahan-tsaina
No efa toa natao, amin-java-tsy ilaina

Fanjanahana hafakely, Fanjanaham-politika
Ka indro indray mamely, ny zioga ekonomika
Fanjanahan-teny, Fanjanahan-kolo,
Ts’isy Malagasy reny, fa safiotra no nanolo

Fanjanaham-bola, fanjanahan-kery
No izao mamolavola, ny Malagasy very
Fanjanahan’i baroa, fanjanahan-tsandry
Fanjakana mikitoa, filaminana tsy mandry

Ekeko izay ilay tambiny, hoe mahaleo-tena
Noho ilay Sonia sy fahaleovana nomena
Hoe afaka ny ziogan’ny fanjanahan-tany
Ka izay hafa fanjanahana, samia mizaka izany !!!
--------
Lien:
Catégorie : Politika
847 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0332