FOANA FOANA (raozigasy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FOANA FOANA

Saika hanoratra aho androany, hilaza indray hoe " Tiako ianao "
Kanefa izany teny izany ve ? moa tsy efa fandrenao ?

Saika hanoratra aho androany, hilaza hoe " Ianao tsy foiko . . . "
Kanefa haiko hoe fantatrao, f'ilay fitiavanao koloiko

Saika hanoratra aho androany, hilaza fa ianao no mamiko
Fa moa tsy ianao indrindra ve, no efa nilaza izany tamiko ?

Ka izay soratsoratro eto, s'ireo teny izay soratako,
Na dia miverimberina aza, ireo no teny fanandratako,
Fa na lavitra aza ianao, ary isika tsy mihaona,
Ny foko, saiko sy fitiavako, any aminao FOANA FOANA
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana - Aingam-panahy
1700 3
Fans: li1234 - kororoka - volana1
Commentaires
volana1 ( 14/06/2007 12:30)
Tena tsara sady kanto, manambara ny fitiavan tsy mety ritra, sady tsy reraka milaza fitiavana
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0359