HAFATRA (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tamin’ny fetinao ry bavy, Dia niantso ahy vetivety
Halatra fotoana ihany , Hiarahaba anao tratry ny fety

Fa androany kosa indray, dia nanokana fotoana
Hanoratra ho anao amin’izay, ka eto isika no hihaona

Lehibe ianao izao, tsy izany no atao litania
Fa ny faniriako anao, dia ny hiaina ny Fitia

Ny fitiavam-bady no voaloha, satria ao ny fiainanao
Kolokoloinao mba ho soa, izato tokantranonao

Aza adino i zandrikely, ianao izao no akaiky azy
Mbola mila anao izy, raha mbola tsy lasan’ny mariazy

Aza adinonao i neny, na dia efa fantatra aza,
Ireny toetrany ireny, efa haintsika fahazaza

Aza adino koa i zoky, na dia lavitra , tsy hita
Ny fitiavanao azy, hanosika azy ho tafita

Dia ny lehibe indrindra, aza adino fa tiavo
Ilay vavaka izay nitaizana, hiderana hatrany ny Avo

Dia teny fohy am-pitiavana, no hamaranako izany,
Tsarovy anie fa Tiako Ianao, ary mahereza hatrany

21-03-06
--------
Rohy:
1854 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0323