Hamonjy fasana (raozigasy)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny faty no alahelovana, fa mandratra mahatorovanaka omena voninkazo, sy arahim-pahatsiarovana
Fa ianao raha handeha, tsy arahiko alahelo
vao maika aza alaviriko, toy ny angatra sy avelo
Ny faty no itomaniana, fa mafy ilay misaraka
omen-teny mampahery, sy lambamena hanaraka
Fa ianao raha hiala, tsy hanaovako angano
na segondra iray, tsy handrotsahan-drano
Ny faty no alevina, ambany vokovoko
hampiononam-pendrofendro, hamafana fokofoko
Ianao raha tsy tana, fa maniry hiova loko
tsy asiako fandrarana, rahampitso aho miova toko
eny e …
izay ilay troatra ivelany, ataoko tazan'olombelona
hoe vatobe ny foko, tsy hisy alahelo hiselona
ny marina ao anatiko, raha ianao no lasana
izaho mihitsy re no te hamonjy fasana
Raozigasy
--------
Lien:
Catégorie :
Aingam-panahy - Fitiavana
Commentaires
jiya
(
07/03/2014 20:00)
in ndray no ts' itako ! heveriko f ten manana ambom-po kay in .................mankasitrak 'e! tsra bbbbbbbbbbbbb