HENJANA SY LALINA (raozigasy)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Henjana dia henjana ilay nofiko alinaHenjana satria namaka anao lalina
Henjana ara-tsaina, henjana ara-batana
Henjana satria ditra vatambatana
Nofiko hono anie, tany an’ala tany
Ala vao foronina, edena angamba izany
Ts’isy afa-tsy isika, dia izaho sy ianao
No olona nameno izao tontolo izao
Ka dia niriaria tsy misy fefy, sakana
Fa dia natao daholo izay rehetra tian’ny vatana
Ka izaho tia manenjika, ianao tia henjehina
K’izaho nanao kitay, ianao fatana hitanehina
Rehefa tratra ianao dia ankiniko amin’ny hazo
Amin’ny hafananao mahery noho ny tazo
Dia eo ianao bedaiko, orohako, tsetsafiko
Ny tenanao rehetra mihitsy no lelafiko
Ny voankazonao rehetra, masahiko hilonjehitra
Ny tenanao tontolo ho mena hidorehitra
Ny fefinao, ny henatra, hazerako, hariako
Ka ataoko mitovy izay tianao sy tiako
Dia avy eo ianao bataiko, ho ery ambony bozaka
Izaho amin’io efa tsy mitarozaka
Fa miandry anao hiteny, miandry anao hanaiky
Hoe avia ianao, f’izaho efa akaiky
Dia trotroiko ianao, bataiko dia hidirako
Moramora aloha, avy eo dia ahorirako
Anaty sefosefo, rangotra sy kaikitra
Isika roa no iray, mikambana miraikitra
Dia ahodiko indray, lavoiko amin-tany
Mandra-piteninao; hoe : « Tiako be izany »
Fa ataovy foana fa tena ren’ny aiko
Dia ho tadidinao izany hoe viraiko
Avy eo ianao mihiaka, mamikitra mihovitra
Ny hoza-penao iny, nihenjana nangovitra
Toa sanatria miala aina ka nandrovi-tsihy
Amin’ zato maso lalina, lanaky ny fy
Izaho am’zay teo an-kianja, nihosina
Dia teo an-tratranao nitsipaka nitrosona
Lany taminao, ireo rehetra ranon’aiko
Ny dinitra amin’izay efa tsy lazaiko
Dia avy eo ianao nisento sady koa nangina
Tsy nahaloa-peo fa kendan-kafaliana
Ny vatako halamiko, ny fiefonefony
Hampitoniako izy amin’izato tempotempony
Dia avy eo isika matory mifamihina
Toa tsara ery izany raha an-tsary no dinihina
Dia avy eo aho taitra, nitsapa teo anilako
Hay nofy ihany ny ahy, lay vatana hoe silako
Ny hany teo akaikiko tsapako sy hitako
Dia ilay edenantsika tena nofaritako
Fa ilay nofy dia nofy, nofinofy ihany
Rehefa hita ianao, tanterahina izany.
--------
Lien:
Catégorie :
Aingam-panahy