Ampidiro aloha ny tenimiafina
HERINANDRO IZAY NO LASA (raozigasy)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tohin'ny ATY TANAEfa herinandro, izay leitsy no lasa
Ilay mitady vady aty nivadika asa
Ny « retour d’invest…. » izao mbola tsy hay
Ny vola mivoaka nefa mahamay
Tantaraiko an’ialahy, tsotsotra ary aloha
Ireo sipa efa nampiasaiko ati-doha
Sahirana ihany leitsy ny « coco »
Ny wawa no betsaka fa tsy misy « dodo »
Ilay sipa afak’omaly mba naha « tifatifa »
Ny bika milay, malama tsara ny « tif »
Izaho vao nahita dia « grave » ni-« kiff »
Ilay « parler France » tonga dia « infinitif »
Ilay omaly indray, nanontany asa
Raha vao mi-« livre » hono tsy lasa
Ny « retraite »n’ireny hono ange mampihomehy
Fa ny atsasa-karama tsy « declaré »
Ilay androany aza efa nahazo sopapa
« Princesse » hono izy fa manao ahoana ny lapa
Ny ahy hono « appart » sa « pavillon »
Fa izy tsy mila raha « colocation »
Ilay anankiray tonga dia niteny
Izy hono mila manampy an’i neny
Hanaraka ahy hono izy tsy misy ny olana
Fa izy mila mandefa vola isam-bolana
Ilay iray hafa aza moa tonga dia niraparapa
Rahoviana ny « solde »tsika ry Papa
« Val d’Europe » sa « Grands Magasins »
Any an-dafy ve dia tsy hikata ny « tsain »
Ilay tao amin’ny « Colbert » saika nety ny pasy
Izy « nob-noble » sady « classe »
Efa tena « poins » fa ny « bleme »
Tsy maintsy entiny hono ny zanany enina
Ilay anikeheo aza tonga dia « terre à terre »
Vadio hono izy fa aza mandany lera
Izy efa ela no te ho any an-dafy
Ilay « ambassade » foana no tena migafy
Ssssss
Toa lasa resaka « annonce » leitsy izy ity
« Calcul » fotsiny fa tsy misy fitia
Sa ve izaho no be vatravatra
Manao jery ivelany, tsy mahita ny an-tratra ???
Izay indray aloha fa avelako ialahy
Izaho hamonjy fotoana any amin’ny « Paprika »
Miantso an’ialahy aho amin’ny « lundi »
Fa aleo aho mba hanao « week end joli »
(hitohy)
© Raozigasy
--------
Lien:
