Hitako (raozigasy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hitako tan-jery teny rehetra teny
Karazam-paka fy, ireny soratro ireny
Misy miandry fotsiny, tsy ampy minitra iray
Tonga dia mitia, sy mizara azy indray

Hitako tan-dinika, tam-pamadiham-pejy
Karazandrazan’olona, tsy mba mandeha mivenjy
Fa mijery indray mandeha, dia mitia na tsia
Ireo tononkalo miresaka fitia

Hitako tan-tsoratra, nametrapetraka hafatra
Ireo mpandokandoka, sy mpandafandrafatra
Ireo izay mahavatra, mamerina mamaky
Ny fanaparitahany, malaky dia malaky

Hitako ihany koa, amin’izao fotoana izao
Fa raha vao politika, dia be voazara tao
Izay izao no firehana, ventesin-tserasera
Ka izao tontolo izao, tsy mitsaha-tsikera

Ka dia mbola manantitra, ny ambentin-tsaotra
Ho antsika mpaka fy, fa mahafaly loatra
Ireo tohana sy risika, maro nozaraina
Tonga taty ireo fa tsy antso an-tanimaina
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
1706 0
Commentaires
Soarilala ( 24/08/2013 04:55)
Tena kanto ny asa soratra ! Maka fy tokoa ! Mankasasitraka ary mahereza amin'ny atao rehetra
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0356