Hofatorako (raozigasy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hofatorako ,hofeheziko amin’ny fahamatoran’ny fitia
Ny tantarantsika roa
Ka hifaningo-po sy saina, mandrakizay doria doria
Na amin’ny ratsy na amin’ny soa

Hogejaiko an-tambitamby, sy oro-mamy tsy ho lany
Izao fiarahantsika izao
Ka fatomatin’ny fitia, hifandalim-paka hatrany
No hamehy ahy sy ianao

Horojoiko tadin-defitra, sy fahalalahan-tsaina feno
Ny fiainantsika mianakavy
Ka fifankahazoam-panahy, sy fifanajana no hameno
Ny ampitsotsika rehetra ho avy

Hofenoiko tonombavaka, iarahana miventy
Izany hetaheta izany
Dia hangatahiko ny Avo, handrindra ka hanao izay mety
Raha toa sitrany izany
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy - Fitiavana
907 1
Fans: Soarilala
Commentaires
Soarilala ( 20/01/2011 16:23)
Hifaningotra ao anaty, ireo izay mifampiankin-doha
Zary mifanaran-tsaina
Ka n'inon'inona mitranga, dia mifankahazo am-po
Ary mahay miara-miaina
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0353