Hovidianao hoe !!! (raozigasy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hovidianao hoe ny fanahy ? , ireo tsy tonga sy vao miainga
Hovidianao hoe ny vetso ? s’ireo vinany tsy mandainga
Hovidianao ambongadiny hoe ? ireo masom-bolin’ny poeta
Hovidianao ihany koa, hatramin’ny ketsa mbola feta

Fa ianao hoe te hiravaka, rojon’olona eny an-tenda
Sy te hitafy lamban’olona, mialona ve sa milenda ?
Raha ireo ange ny lasa, ny sisa ho avy mbola hitobaka
Raha lasanao ilay lambako iny ,mbola ho avy ny ahy ny lobaka

Anio aho tsy te hasiaka, ka izao no teny tiako atao
Randrana hafa re vidiana, fa ny ahy tsy mety aminao
Ny volanao adala tompo, any amin’ny kisoa atoraka
Fa ny talentako tsy amidy, na dia kely tsy mahoraka
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
698 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0323