IANAO NO TIAKO . . . . (raozigasy)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IANAO NO TIAKO . . . Ianao no tiako nizaràna
izay fahitako ilay tanàna
ireo zavatra izay nigagàna
ireo rehetra nampihàna
Ianao no tiako niara-nahita
ireo zava-maro tsy fahita
tsy mijery havia raha miampita
ka mila mailo vao tafita
Ianao no tiako niaraha-nizaha
ireo karazana vazaha
mifanoroka tsy miahy
nefa samy lehilahy
Ianao no tiako nandona ahy
tamin'ny jeriko zay sahisahy
nahita akanjo fohin-dravazaha
tsy mba menatra izy lahy
Ianao no tiako niara-nitosy
ilay tao anaty posiposy
na tanaty tube nifanosy
na tamin'ny etagen'ilay bus
Ianao no tiako hoe teo anilako
tamin'ny fijery vilako
an'ireto ankizy pilapilaka
miakanjo mainty jilajilaka
Kanefa moa tsy teo ianao
k'izaho irery no nanao
izay mba azoko natao
satriko hiarahana aminao
Fa mbola ho avy ny fotoana
hoe ianao ho eo foana
ka izaho tsy ho moana
amin'ny seho izay manoloana
--------
Lien:
Catégorie :
Aingam-panahy
Commentaires
katiaa
(
23/01/2007 00:38)
tsara k!!! 😉
katiaa
(
31/01/2007 00:29)
ie tsy teo izy ka atao aona ary sady tsy mety solona sa aona?