Ilaozako (raozigasy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilaozako malaky ianao, ry devoly tsy vanona
Veloma ho mandrakizay, no alefako ho sakodim-panina
Fa tofoky ny fiainanao, rendrarendra mpamarina an-kady
Ka ny malemy finoana jonoina, any an-kafa ianao mba mitady

Ilaozako an-dia maika, ianao ry ilay losifera
Fa neniko reko nahamay, ilay fandrika izay nampianjera
Fa leon’ity fahajambana, sy aizina mainty nandrakotra
Ka aleo aho hisintaka lavitra, sao tara ka voasaron-takotra

Ilaozako an-tongotra an-katoka, ireto tokon-tsikidim-panandro
Tsy tiako hierehana intsony, fa resaka mandany andro
Aleo aho hody amin’izay, maika hamonjy ny Raiko,
Fa raha mbola tavela eto, ny satana foana no hibaiko

Ilaozako an-karavoana, ity loza izay nahasarika
Fa miantso I Zoky Jeso, aleo any aho no mifampitarika
Aleo aho handeha amin’izay, fa any aho tena tafita
Raha mbola mijanona eto, dia any amin’ny fiainan-tsy hita
--------
Lien:
Catégorie : Fiderana - Aingam-panahy
1113 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0332