Ilay ainga very ka tonga indray (raozigasy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Asavovon’ny vinany, hitokan-toerana miaraka
Ireo ambiroa lasadasana, sy fanahy miraradraraka
Avorivorim-betso lalina, hiangonangona, hitangorona
Ireo embon-ditsok’ainga, verivery lasam-borona

Dia namoronany anarana sy loha-teny izany ainga
Ho fodiam-bentin-dranon-tsaka, izay nivadika ho bainga
Dia natsangany ho saina, ireo fehezana litera
Nataony amboara avo lenta, ho zaraina an-tenimiera

Dia nabosesiny hibasasaka, hameno izato noanoa
Ho rindran-teny feno rima, hilamina tsy hikitoa
Ho zaran-tranga, sy traik’efa, setrin’ainga mamololona
Ka havadika ho tononkalo, apariaka imason’olona
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
893 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0348