Ilay aliko iny (raozigasy)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay aliko iny nofenoiko anao,ka sarinao mitsiky no nanemitra azy,
feonao miangola, no manako am-bazivazy
safonao malefaka, no nampitony fo
paradisa an-tany no nisy antsika roa
Ilay aliko iny, nozaraiko taminao,
ka orokoro-mamy,no rojo nampitambatra
tan-tsafo zavon-tany isika no nihasambatra
ny tananao nandalo, nilalao ny tratrako
nampiridan-tempo, ilay fo mivatravatrako
Ilay aliko iny, nofenoiko antsika,
ka marim-panantsika, niakatra nidangana
ireo fitafiana niongotra tarangana
ka na izaho na ianao, tsy mba tety an-tany,
fa niaina ilay filàna, mamy dia mamy
Kanjo .....
niserana tanatiko, nofiratsy iray
nahitako antsika nifandramatra indray,
dia tapaka ilay nofiko, ka nianjera avy eny ambony,
ilay foko mba nibitaka, tsy mety mba natony
--------
Lien:
Catégorie :
Aingam-panahy