Inona no masaka ? (raozigasy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Inona ary no sakafo, amin’ity krismasy ?
Sa inona no lokom-pety, miandry antsika Malagasy ?

Savovon-doto, vohi-pako,
Lali-manga re manako
Tanàna rako-joridira
Voalavo mandihy sy mihira

Aretina efa lany daty
No ireo indray mirantiranty
Amin’izao taon-jato izao
Mampiaiky volana anao

Hogahoga politika
Embouteillage mampivika
Endaka sy hala-botry
Paosy maina gotrigotry

Izay no fiainana isan’andro
Masaka tsara nahandro
Noketrehin’ny mpitantana
Arosony eo avara-patana

Izay no masaka efa ela, ho antsika Malagasy
Nandrahoina efa-taona, ka sahaza ity krismasy
--------
Lien:
Catégorie : Politika
1106 0
Commentaires
nannie ( 25/12/2013 15:53)
Adino ny parasy
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0341