Iza no namako ??? (raozigasy)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay mandoka foana fa tiany izay ataoko Sa ilay miteny tsy misorona ny tsy mety izay fanaoko
Ilay eo mandavan-taona fa midila vao sakoroka
Sa ilay rehefa misy voina, mamihina, manoroka
Ilay tonga isan’andro mijery fomba fiaina
Sa ilay miantso mampahery, raha tojo ny taintaina
Ilay mamporisika ahy, hirevy sy hifety,
Sa ilay pasiterabe, miteny hoe izao no mety
Ilay manara-body lava, mifosa avy ao ivoho
Sa ilay tsy hita nefa tonga, vao misy ny manjo
Efa namako daholo ireo rehetra ireo
Ny tanisan-disitra aza, vao vitako anikeheo
Dia nataoko ny tontaly, sy ny salan’isa
Loooza f’ iretsy voalohany, no tena maro an’isa
© Raozigasy
--------
Lien:
Catégorie :
Namana - Aingam-panahy