Izahay havany (raozigasy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Maninona anefa moa, izahay aty dilam-bato
Raha avela koa hifidy ka handatsaka ny vato
Efa ela ange no niandry, sy nanipitsipi-teny
Fa toa nodiana fanina sy tsy hita foana ireny

Maninona anefa moa, ireo Malagasy marobe
Manerana ny vazan-tany , an-kontinanta mandehandeha
Raha omena zo mitovy, amin’ny any an-tanindrazana
Samy tany ange no niainga, dia mbola ho any koa ny razana

Maninona anefa moa, ireo izay nila ravin’ahitra
Nivalovotaka tam-pita, raha tsy atao an-jorom-pahitra
Ka na lavi-tanindrazana, nefa mbola tera-tany
Raha avela haneho ny heviny, ary koa hizara izany

Ireo ange no masoivoho, ary ireo no masolavitra
Na tsy mahita akaiky aza, mahatakatra ny lavitra
Ireo ange no iray tampo, tsy mba mijery arin-tava
Raha vao misy ny tsy mety, tonga dia mibasivava

Sa izay indrindra no antony, noho izy ireo mba sahy miteny
Tsy misala na mihafa, amin’ireny lesoka ireny
Dia amin’ny fomba rehetra, hampanginina ny vavany
Dia rehefa ilaina izy ireo, vao lazaina hoe “izahay havany”
--------
Lien:
Catégorie : Politika - Aingam-panahy
901 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0325