Izaho hono tsotrabe (raozigasy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izaho hono tsotrabe, tsy mahay izay politika
Ka azo hoe fetsifetsena, amin’ireo fikafika
Diso hono ny fihevitro, raha toa manao kajy an-kandrina
Dia lazaina aho hoe mangina, sy hilamina hitandrina

Kanefa ange ilay fikajiko, matematika tsotsotra
Ireo vola izay nafafy natambatambatro an-jotra
Hoe raha toa ireo kandida, ka miisa telopolo
Dia ireo no ampitomboina, an-tapitrisa hoe am-polo

Mety angamba hoe ilay kajiko, no tena tsy mety tsara
Satria ny hofan-kopitera, mbola sandaina an-dolara
Ireo vorom-by madinika, mitetitety vazan-tany
Mbola mandoa saran-tsolika, fa tsy mandeha fahatany

Ireo fiara 4x4, miasa andro aman’alina
“Voyage” indray mandeha, dia aman’hetsy sy aman’alina
Raha izay no atambatambatra, atentim-bidy vola “euros”
Ho anay tsy mahay manisa, maro ihany ireo zero

Ireo vidina t-shirt, sy nanaovam- “banderole”
Ny karaman’ny boaikely, mihoga fa ny azy no “role”
Ireo mpametaka “affiche”, sy ireo hafa izay mpanongotra
Ireo akama izay mpanara-dia, manofa “bus”, mandeha an-tongotra

Ireo no natao adisanina, ary nampifanampiana
Ny valiny nivoaka teo, vokatra nahavariana
Teti-bolam-pirenena, mahavelona herintaona
Kajikajy mahakenda, mampiloa-bolana ny moana

Dia izaho moa ilay tsotrabe, dia mba nanontany tena
Manao ahoana raha ireo kandida , milaza hoe tia firenena
No manambatra ny heriny, ho an’I Madagasikara
Isika angamba ho tafavoaka, hivoatra hiaina tsaratsara
--------
Lien:
Catégorie : Politika
814 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0337