IZAHO ILAY TAMBANIVOHI-BAVY (raozigasy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IZAHO ILAY TAMBANIVOHI-BAVY

Akanjo manga efa tonta
Sy tenisy efa draoka
No nentiko niseho vahoaka,
Ka toy ny vely kanonta
Tam-parahatoko tao
Ny filazana tan-gazety
Hoe: “tongava aty ianao
Ka manaova metimety
Fa laharana voalohany
No azonao ry Poety
Tena tsara fanombohany.”

Ny fahantrako, ô indrisy!
Tsy mba azoko nafenina,
Ranomaso tsy hay tenenina
Moa hanakatra tsy misy?

Notoneko aloha ny saiko
Tamin’izay fotoana izay
Tena vonona aho handray
Ny loka efa nantenaiko
Dia … narahabainao tsirairay
Ny fahatelo, ny faharoa
Arahina oroka avokoa
Sy tsiky ary teny mamy
Hoe: “tohizo hatrany hatrany an!”.

Fa nony mby amin’izay
Voatonona ny anarako
Hanoloranao ny anjarako:
Zara ianao nandray ny tanako
Dia nihataka hafahafa
Ts’isy teny, ts’isy tafa…
Teo aho, nangasihasy,
Toa tsy te hijery olona
Eny ho aho ry Malagasy:
Mbola henjana ny tolona,

Tsy ny horokao sanatria
No zava-dehibe tamiko
Fa ilay: “tsy izy ity”
No nampitraho ny tomaniko
Sy ny eso nanao hoe
“dia izay io avy ve?”







Andao fa ho hita eny ihany
Izay ho tohin’ny tantara
Mbola ho ambony ny ambany
Fa ny “ratsy” mbola ho “tsara”.
Ny fikirizako rehetra
No nakambako hamahana
Ny fangejan’ito hetra
Nateraky ny fahantrana.
Ny hambom-poko tafahoatra
No nanosika ahy hivoatra.

ANKEHITRINY KOSA,
Endrey! Tonga ity ianao,
Saingy efa osaosa,
Mandondona izato efitrano fiasako:
Dieny mbola tsy misondrotra
Amin’izao ny tosi-drako
Dia ivereno kely indray
Ny varavarana nidirana
Tsy jereko akory
Izay tarehy mody mirana
Tsy henoiko akory
Izay resa-balamaty
Fa ny ahy ny alahelo
Efa latsaka any anaty.

Mandehana ry olom-be
Sao lazaiko ho mpamosavy
Hadinonao angaha, f’izaho
Ilay Tambanivohi-bavy?


HAJAINA
Okt 2000


Tsetsatsetsa tsy haritra fotsiny e!
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
1295 2
Commentaires
harilalaina ( 30/07/2009 16:18)
mahafinaritra ahy le tonokalo ny hajaina , tena authentique tsara
mapalaelo tokoa ry hajaina ilay toetsaina hoatrizay ary mbola hita hatraiza hatraiza io tsy manome lanja ny olona amin'ny mahaolona azy fa ny "paraitre " sy ny "avoir "no bedebe
te hampitony ani hajaina anefa aho fa tu as deja eu ta revanche oe tonga tao aminao ilay olona ary ny fandresenao ngeza ndrindra de ny mahavita tsara noho ny nataony , zany oe mahavita manisy soa azy , zay le oe manisy vainafo eo ambony lohany!!!
de mbola makasitraka ny asasoratrao hatrany hajaina a, ary makahery anao
mangamaso ( 31/07/2009 11:37)
Mankasitraka ireo tononkalonao 😊.
Nirilala ( 01/08/2009 07:43)
Mahaontsa. Tsy mety afaka eo amin'ny fiarahamonina ny fanavakavahana sy ny fanikilihana ny mahantra
Mysento ( 02/08/2009 11:32)
kodiarana ,ny fiainana.
andry 1000 ( 02/04/2015 07:51)
aok'izay ny sentosento
ny alahelo ajanony
fandalovana ny eto,
dia meteza mba mitony
fa tsy vao ianao
no tojo tahak'izao

andao hiaraka hiady
f'efa tonga ilay fotoana
izy ilay mandandilandy
ary koa mety ho noana
d'efa ampy antsika izay
f'avelao 'njay re!!!
ny ao ambony hanao ny saziny

Ny alahelonao onony,
ary aza mitomany intsony
f'efa tonga ny andrandraina
de miarahaba ry HAJAINA...

TONGAVA AMINY AMBONY INDRINDRA SY EO AMINY VONINAHITRA E!!! NDAO ENTANINA NY IRAY RA AMINTSIKA TSY HANAO IZANY NTSONY..
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0336