Izaho tsy adala (raozigasy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izaho tsy adala, handany bala, amin’ny vorona tsy hohanina
Ny fitadiavana haza aza, efa mila tsy hampilamina
Ka raha vorom-be tsy fihinana, sady tsy hatao haingon-trano
Tsy hampiherika ahy akory, na hisy hikiaka hoe tazano

Izaho tsy adala handany bala, amin’ny vorona tsy hohanina
Hihaza laoka no anton-dia, ny saina koa efa nomanina
Raha voron-doza mafy hena, tsy asiako sira an-danitra
Aleo miandry elaela, dia mba manana ny manitra

Izaho tsy adala handany bala, amin’ny vorona tsy hohanina
Raha hihaza ihany no ao an-tsaina, aleo izay tsara no kandranina
Raha voro-mody raisim-potsiny, tsy tiako ilay hanateran-kena
Aleoko ihany ilay mijoko, sy mandry ilika hifanena

Izaho tsy adala handany bala, amin’ny vorona tsy hohanina
Tsy sanatria io dobo tsy hita, ka mety tena hahamanina
Tsy hampiasaiko ny ahy ny balako, raha tsy haza tena tiako
Ka na hivariraraka aza, tifiriko any tsy hotsitsiako
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
947 0
Commentaires
Soarilala ( 18/10/2013 09:41)
Izaho tsy adala handany bala, amin'ny vorona tsy hohanina
Na be aza ireo mihaody, avy dia mitanitanina
Na dia maro aza no hitanao, izay mety hahafanina
Ny ahy ny haza tena tiako, dia izay tena mahamanina
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0459