Izy niandry … (raozigasy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izy nitanim-bolana
Efa nanala ny olana
sy sisatsisan-tafy
mety hoe hampihafy
ny vaika tamban-koditra
fana hampihovitra
ilay joalam-batana
tsy mahandry tantana

izy niandry tamby
tanatin’ny somamby
vonona hisangy
fa ho avy ilay mpamangy
hitondra hotraka hafa
ka izy tsy hitsafa
fa tonga dia hiantsampy
hisintona ireo tsy ampy

izy niandry safo
nofy tena lafo
ho ody sy ala reraka
tambim-pilàna teraka
fa mafy ny hetaheta
ka mampitetateta
ilay reda ao anaty
hirongatra tsy tanty


Nosoratana hampihaingo an'ilay hosodokon'i Hantanirina Oliva Rajoharison "Sensuelle"
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
1126 0
Commentaires
Soarilala ( 27/01/2012 12:48)
Izy niandry foana
Niomana ny hihaona
Kanefa indrisy
Nanantena tsy nisy
Ny any sisa atao
Nitodi-doha nandao
'Lay toera-manirery
Mino fa tsy ho very
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.032