KANTO (raozigasy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay habaka iny, ilay niloko manga;
Misarika ny maso, hitraka ka hiandrandra
Ilay randran-drahona, miavaka mihary
Endriky ny kanto, voatran’ny nahary.

Ilay bika iny, ilay nandalo sy niserana
Nanaitra izany maso, ka tsy hay noferana
Ilay sombin-tsiky, nentiny nidify
Nandrehitra indray, ilay forohina niampify

Ilay habaka iny, nampiova lokon-jery
Ilay bika iny, nampiteny irery
Satria samy kanto, misandra-bao maraina
Raha toy izany foana, mamy ery ny miaina
--------
Lien:
882 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0322