langilangy (raozigasy)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tononkalo ny ahy no mba langilangyMitoraka anefa tsy mahadangy
Entiko mikiaka an-katezerana
Ireo haratsiana tsy haiko ferana
Tononkalo no fitaovana mba fiadiako
Amin’ny ratsy sy rikoriko
Mahamenatra sy manala Baraka
Fa efa homamiadana lalim-paka
Tononkalo no ataoko tifi-bariraraka
Ka mitaona anareo re ndao mba hanaraka
Na hikiaka fotsiny am-pehezan-teny
Hitatatata eny rehetra eny
Fa loza loatra re ity manjo
Ataon’ity sarisarina filoha
Efa diso nefa mbola midingin-drambo
Ka andao rey olona hatao haza lambo
--------
Lien:
Catégorie :
Politika - Aingam-panahy