Lasa fisainana (raozigasy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dia misononoka mora, tsy maka lavitra ilay taona
Satria herinandro vitsy sisa, dia handeha izy himaona
Hamela anao sy ny fahiny, hivalona ho tantara indray
Fa taona hafa sy vaovao, ka ny lasa hiampy iray

Dia mikisaka famindra ilay tondrom-pamantaran’andro
Dia mijotso ihany koa ny mari-panan’ny masoandro
Ka rehefa iny ianao fa ngoly noho ny ririni-mamanala
Dia efa hainao koa izay fa ho avy ny oram-panala

Dia ho tonga ny krisimasy, sy ny taona vaovao
Dia mody hoe hikorataba, hifaly izao tontolo izao
Nefa izany no hamadika ilay diary hiova taona
Ny taona anie mandroso ihany, nefa tsy hita hoe ahoana

Dia iny ianao fa mitanisa, vetso sy nofy vaovao
Hoe amin’ity taona ity, ndeha hanao izao sy izao
Ndeha ovaina irony lasa, ndeha hanova toetra indray
Ndeha ahitsy irony diso, hianarina izay tsy hay

Dia eo ianao hampiasa saina, handinika ny lasa vita
Hamisavisa ny ho avy koa, sy ny hafa tian-ko hita
Sady hanontany tena, hanao ahoana indray ny fiainana
Asa re hanao ahoana, izaho koa moa lasa fisainana …
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
1248 2
Fans: oracle - raozigasy
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0324