Lasa hono Rasiza (raozigasy)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Lasa any an-drenivohitra hono akia Rasizamisy havany hono any, tsy haiko aloha hoe iza
hay !!!! ilay zana-drahavaviny, nanambady be kamio
ilay nalaza be hoe nahazo « tonton »
hay ve iny e … haiko tsara, ilay sola sy behatoka
rehefa izy ilay miteny, somary mihatokatoka
tena izy indrindra, ilay bekibobe
fonentanentan'iny, miedina fandeha
dia haninona any, sa ve hiasa an-trano
mety hoe nitsoaka fotsiny, fa tena leo ny angano
…..
avia nareo Razane, izao indray ny vaovao
Rasiza ilay tsy re sy tsy hita tao ho ao
lasa any an-drenivohitra, tena nifindra monina
vita ny taty, ilay hanina tsikonina
ilay havany iny ange, tena misy atao
tena patabe, fa saingy tia lalao
Ity Rasiza ity, aza mety hivadihany
rehefa ela monina ambany valin-drihany
sady Rasiza ange, tena mba tsaratsara
ilay mifintina manify, tsy ilay be amboradara
aza hitako aza hitako, hoe nivadika « tonton »
amin'ilay firesany, vao miteny dia hoe « bon »
aleo izy akia ho any, mba miova ny fiainany
sady ndry koa ve tsy leo, isan'andro hitarainany
izao azony ilay tiany hoe leo atao tanavo
fa miova saranga hafa, hoe mba avoavo
izao izy miakatra latabatra fa tsy ambony tsihy
dia mba tsy plastika fa bakoly ny vilia
ny jirony « ampoule » vita izay ny « jabora »
pihana dia maty, fa tsy vonoina amin'ny rora
…..
eisy e Rasiza
izy izao any , efa manao « jean »
hitako eto mihitsy tena tahaky ny inona
hahaha dia ahoana izany izao, ilay tongobolo sy paraky
dia hanao « adidas » ve ilay tongo-bakivaky
dia ilay diloilo coco, asolony « creme »
dia ilay bononoka, hosoloiny « nem »
aleo akia izy ho any a, ndeha hanasa lamba
mena izay ny sofiny, amin'ny fosa angamba
ny antsika aty tohizana, ny fiainana milamina
aleo izy any re , mba hihaminkamina
© Raozigasy
--------
Lien:
Catégorie :
tantara