Lasy vaovao (raozigasy)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Efa ritra taminao ny ranomasoEfa taminao no tankina ny feo
Ny anganonao, no nivadika ho ankaso
Ny ariranao no nahatonga ahy ho leo
Ankehitriny ianao, miverina, mifona,
Miangavy hoe andao alamina indray
Tsy nety taminao ny tany, fa nandona,
Ka aty ianao milaza ny hiova fa efa fay
Raha vao izay ianao no tojom-pahalemena
Dia tsy olombelona aho, raha toa ka mafy fo
Na indroa aza mety ho azoko ekena
Fa ny anao kosa efa fanaranam-po,
Ka anio, tsotra ny teniko aminao,
Tsy mety intsony ilay hoe izaho sy ianao
Dia zory malaky koa ny lalanao
Fa ny foko efa niova lasy vaovao
--------
Lien:
Catégorie :
Aingam-panahy