LAZAO (raozigasy)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho setrin'ny tononkalon'i Nyeja hoe "raha fantatrao"Ny ezaka iriko, sisa ezahinao
Dia tosika sy sahy, ndeha moa mba lazao
Aza afenina azy, ilay hetaheta anaty
Aza kobonina ela, sao hitroatra tsy ho tanty
Aza ataonao ampy, ny tsiky kely imolotra
Fa misahia ianao, ilay tena mamy atolotra
Fa ao anatiny ao, izy koa angamba
Mety ho toy izany fa saingy mbola nihamba
Ka amin’izay ho fantany, ilay efa fantatrao
Ary ho fantatrao, izay heviny aminao
--------
Lien:
Catégorie :
Eritreritra mandalo
Fans:
lee