Mampihomehy (raozigasy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Atolotro ilay olona nisamboaravoarabe namaky ilay tononkaloko hoe “deuxieme tour”

Mampihomehy ahy ianao, nefa isaorako ihany koa,
amin’izato tevateva, mafana vay izato fo
raha toa ianao namaky tsara, tam-po tony sy nilamina
dia ho takatrao angamba, fa ny ahy tsy misy zavatra nomanina

fa ny fijeriko no asehoko, tsy misy izay hoe fiandaniana
izay ilay demokrasia, andrandraina sy iriana
izaho mantsy tsy mifidy, dia malalaka aho miteny
satria amin’izy roalahy, tsy misy anadahin-dreny

moa tsy misy mahafinaritra ahy, ka hotompoiko sy lolohaviko
na hoe hahazahoako tombony, hahatsara ny hoaviko
ka dia tsy misala aho tsy mihafa, manambara izay mba tiako
raha tianao ho fantatra ny hevitro ? tononkalo no fidiako

dia isaorana ianao, amin’ny fivantanan-teny
tsy vao ianao anefa akory, no niteny ahy toy ireny
fa ny ahy raisiko daholo, izay resaka misosososo
ny fihenoina ny hafa mantsy, no mampivoatra, mampandroso
--------
Lien:
Catégorie : Politika
5906 0
Commentaires
andry 1000 ( 30/03/2015 06:46)
okay e... olony fo ny gasy de ny sentiment sy émotion ny azy no mandeha aloha fa tsy eritreritra.. miala tsiny aminy le teniko fa sao voatoraky ny teny tsy ampoiziko eo!!! hainao tsara le hoe mandroso ry raozy gasy e!!! mila mihaino ny hafa mihintsy! misaotra nampianatra izay mahita io tononkalo io
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.033