Masiso loatra ianao ry zanako (raozigasy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Masiso loatra ianao ry zanako
Ka tsy nety izato tanako
Raha tsy mandrakitra an-penina
Izany hafaliana tsy hay tenenina

Ilay feonao rehefa mivavaka
Na dia mitelina voambolana
Mibadabada fa miavaka
Tonga dia adino ny olana

Ilay fihetsikao rehefa mihira
ka mampiandry kely andraso
Na rehefa mitantara arira
Mampangorana ny maso

Ilay edinendinao mandihy
Mampihetsi-molotra sy vava
Tena mamy fy ery
Mitondra hamiranan-tava

Ilay fahazotoana misakafo
Ilay “mbola ampiana azafady”
Sy ilay tanan-kely feno safo
Mampihetsi-po anay mivady

Ilay ranomaso toa terena
Rehefa bedy fa maditra
Ilay takola-kely mena
Mahatonga fo mitriatra

Ilay dondidongy te hatory
Dia mitady hantahanta
Dia mody feno sorisory
Mampite hanaiki-manta

Ilay rehefa feno sangisangy
Mifanenjinenjika eny
Mikakakaka dangidangy
Mahasambatra an’I neny

Ilay tsindri-mpeo tsy dia mazava
Rehefa manao tsianjery
Na ilay manao kabarilava
Tena mampiteny irery

Tsy nisy izany rehetra izany
Raha tsy noho ny sitrapony
Ka fisaorana hatrany
No atolotra Azy ambony
--------
Lien:
Catégorie : Fianakaviana - Aingam-panahy
1248 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0331